SAMBA Prestations Pro

SAMBA Prestations Pro Votre partenaire de confiance pour des événements mémorables et des projets de construction solides.

ho avy tsy ho ela ny fetin'ny reny.andeha mba hampihantantsika i Neny.ireto misy zavatra azontsika atao mandritra izany.
09/05/2026

ho avy tsy ho ela ny fetin'ny reny.
andeha mba hampihantantsika i Neny.
ireto misy zavatra azontsika atao mandritra izany.

Mora izao ny citron koa mahaiza manararaotra
26/04/2026

Mora izao ny citron koa mahaiza manararaotra

🎉 Fantatrao ve hoe inona ny secret mampahomby ny évènement iray ?Mety hikarakara mariazy ianao, fety manokana, na événem...
13/04/2026

🎉 Fantatrao ve hoe inona ny secret mampahomby ny évènement iray ?

Mety hikarakara mariazy ianao, fety manokana, na événement professionnel aza, matetika ny fahombiazan’ny événement dia miankina amin’ny fahaizana manomana mialoha.
Raha tsy voalamina tsara ny planification dia mety hiteraka fikorontanana, fandaniana be, na tsy fahafaham-po amin’ny vahiny nasaina.

Ireto misy astuces 5 ampiasain’ny matihanina amin’ny organisation événementiel:

1️⃣ Farito mazava ny tanjona sy ny budget
Fantaro aloha hoe inona no karazana événement tianao ary ohatrinona ny tetibola.

2️⃣ Ataovy mialoha ny fandaharam-potoana rehetra.
Ny calendrier mazava dia manampy hisorohana adin-tsaina sy fahatarana.

3️⃣ Mahaiza misafidy ny toerana sy ny prestataires
Ny toerana sy ny ekipa matihanina no mamaritra betsaka ny firindrana sy ny kalitaon’ny événement.

4️⃣ Fantaro mialoha ny antsipiriany fitaovana ilaina.
Décoration, zava-maneno, jiro, ary fandraisana vahiny dia zava-dehibe amin’ny traikefa ankapobeny.

5️⃣ Manàna plan B foana
Ny matihanina dia miomana hatrany amin’ny tranga tsy ampoizina.

✅ Ny fahaizana manao planification tsara no miantoka ny filaminan'ny événement ka ahatonga ny fety ho miavaka sy tsy hay hadinoina.

📩 Raha mikasa hanomana événement ianao, mangataha toro-hevitra na devis aminay. Vonona ny hanampy sy hikarakara événement voalamina tsara sy mahomby ho anao izahay✨

10/04/2026
🧱 Te hanorina trano maharitra 30 na 40 taona ve ianao? Ny tsiambaratelo iray lehibe: ny kalitao béton ampiasaina.Amin’ny...
09/04/2026

🧱 Te hanorina trano maharitra 30 na 40 taona ve ianao? Ny tsiambaratelo iray lehibe: ny kalitao béton ampiasaina.

Amin’ny fanorenana trano, ny béton no iray amin’ireo singa fototra mitondra ny hamafisan'ny trano iray manontolo.
Raha tsy manaraka "norme" ny béton ampiasaina dia mety hiteraka fahasimbana maro rehefa mandeha ny fotoana, indindra amin’ny resaka fondation.

Ireto misy toro-hevitra ampiasain’ny matihanina amin’ny chantier mba hahazoana béton matanjaka:

1️⃣ Fifangaroana manaja ny "norme" (dosage)
Ny tahan’ny ciment, sable, gravier ary rano dia mila voalanjalanja tsara.

2️⃣ Matériaux tsara kalitao
Mampiasa ciment vaovao, sable madio ary gravier tsy misy loto.

3️⃣ Fangaro tsara (malaxage)
Tokony hafangaro tsara ny béton mba hahazoana texture uniforme sy matanjaka.

4️⃣ Cure du béton
Rehefa vita ny béton dia ilaina tazonina ho mando mandritra ny andro vitsivitsy mba hahamafy sy hampatanjaka azy.

✅ Ny fanarahana tsara ireo dingana ireo no miantoka ny tanjaka sy ny hamafisan'ny béto, izay miantoka ny fananana trano maharitra.

📩 Raha mikasa hanorina na hanavao trano ianao, aza misalasala manontanay ma maka toro-hevitra aminay fa ho raisinay an-tanana tompoko.🏠

💬 “Fantatrao ve fa ny varavarana sy fenêtre ratsy kalitao no matetika miteraka hamandoana ao an-trano sy rindrina mitria...
07/04/2026

💬 “Fantatrao ve fa ny varavarana sy fenêtre ratsy kalitao no matetika miteraka hamandoana ao an-trano sy rindrina mitriatra ?”

🚪 Maro ny olona rehefa mividy varavarana sy fenêtre dia sidoka @ endrika ivelany fotsiny… fa ny kalitao sy ny fametahana azy no tena miantoka ny fiarovana sy ny faharetan’ny trano. Raha tsy tsara izy ireo, dia mety hitarika hamandoana, triatra, na olana amin’ny sécurité.

🏠 Ireto misy torohevitra tsotra avy amin’ny matihanina azonao ampiharina :
1️⃣ Misafidiana fitaovana matanjaka toy ny varavarana na fenêtre aluminium, PVC, na hazo tsara kalitao, mifanaraka amin’ny toetrandro Malagasy.

2️⃣ Fanarahamaso tsara ny fametahana azy, ataovy azo antoka fa misy joint sy verrouillage ny varavarana mba hisorohana ny rivotra be loatra sy hamandoana.

3️⃣ Loko sy finition – Mampiasà loko na varnish miaro amin’ny hamandoana sy tara-masoandro.

4️⃣ Fametahana matihanina – Ny professionnel no tokokny hiantoka ny fametahana ny varavarana sy fenêtre anao.

📩 Te hahazo torohevitra na devis ve ianao?
Afaka manantona anay ianao na midira mp fa hanampy anao hanorina trano matanjaka, azo antoka ary maharitra izahay! 🏠

⚠️ Reraka be ve ianao taorian’ny fety na lanonana? Tsy mahazo aina ny vatana ny ampitso?Rehefa avy nanao fety na natory ...
07/04/2026

⚠️ Reraka be ve ianao taorian’ny fety na lanonana? Tsy mahazo aina ny vatana ny ampitso?

Rehefa avy nanao fety na natory tara isika dia mety hahatsapa havizanana, aretin’andoha ary fahalemena. Mba hahafahan’ny vatana miverina amin’ny laoniny dia misy torohevitra tsotra nefa mahomby azonao arahina.

💧 1. Misotroa rano betsaka
Ny vatana dia mety ho very rano maro aorian’ny fety. Ny fisotroana rano ampy dia manampy @ fanadiovana ny vatana sy hampihena ny havizanana.

😴 2. Mialà sasatra tsara
Ny torimaso sy ny fitsaharana dia manampy ny vatana hamerenana ny hery very.

🥗 3. Mihinàna sakafo maivana sy mahasalama
Safidio ny voankazo, legioma na sakafo mora levonina mba hanampiana ny vatana hiverina haingana amin’ny heriny.

🚶 4. Manao fihetsiketsehana ( exercice) malefaka
Fivoahana mandeha tongotra kely eny ivelany dia manampy ny rà hivezivezy tsara kokoa ary manome aina ny vatana.

🧘 5. Makà fotoana hialana sasatra
Mety hanampy ny fandroana @ rano mafana, fihainoana mozika milamina na fisaintsainana.

✅ Tsarovy: ny fihainoana ny vatanao sy ny fanomezana azy fitsaharana dia zava-dehibe mba hiverenana amin’ny hery sy fahasalamana.

👉 Raha mila torohevitra fanampiny momba ny fahasalamana sy ny fikarakarana ny vatana ianao, aza misalasala manatona matihanina.

Zarao ny hafatra raha hitanao mahasoa fa mety hanampy ny hafa!

Fifaliana ho anay ny miarahaba anareo mpanaraka ny pejy nahatratra izao P***a 2026 izao.Andriamanitra @ alalan'i Jesoa K...
05/04/2026

Fifaliana ho anay ny miarahaba anareo mpanaraka ny pejy nahatratra izao P***a 2026 izao.
Andriamanitra @ alalan'i Jesoa Kristy Ilay efa nandresy ny fahafatesana hampandresy antsika hatrany ihany koa

Maro isika no mihevitra indraindray fa sakafo tsy dia manao ahoana loatra ny ovy ary mahamenatra ny sasany aza ny mandro...
04/04/2026

Maro isika no mihevitra indraindray fa sakafo tsy dia manao ahoana loatra ny ovy ary mahamenatra ny sasany aza ny mandroso sakafo vita aminy ho an'ny vahiny na ny fianakaviana.
Sakafo iray tena manan-danja sy matsiro tokoa anefa izy rehefa voakarakara tsara anefa azo lazaina fa mora hita eny an-tsena sy mora vidy .
Ity misy fomba fikarakarana azy iray atoroko anao
Mazotoa homana dia amin'ny manaraka indray omeko zavatra vaovao ianao

Address

Lot II A 93 Anjanahary
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SAMBA Prestations Pro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share