27/03/2024
Raha tianao ho avotra ny fiainanao
1. Manàna fahaleovan-tena.
Aza miantehitra amin'olona fa manàna fidiram-bola.
Aza kamo fa mila miasa ny olona te-ho mpanan-karena.
2. Fehezo ny fandaniana
Jereo tsara ny fandanianao isam-bola
Ahenao izay fandaniana tsy mitondra vokatra toy ny fividianana kiraro lafo vidy, ny shooting, ny fandehanana restaurant.
3. Mianara mba manangom-bola
Tsy izay vola rehetra tonga eo am-pelatanana dia lanina daholo fa mianara mba mitsinjo ny rahampitso.
Ametraho kely foana ny karamanao fa tsy lanina daholo.
4. Ahodino ny ampahany amin'ny vola voahangona.
Aza tehirizina ela ny vola fa avelao hiasa. Mianara mampiasa vola.
Ohatra raha manana vola miangona ianao dia ny 25 % tazomina dia ny 75 % ahodina.
5. Ampitomboy foana ny vola miasa
Raha mpiasa tena ianao ka nahalafo maromaro androany dia aza maika manao fety fa avelao ny tombony azonao hanampiana ny vola miasa mba mitombo amin'izay ny orinasakelinao.
6. Ampitomboy ny fototrin'ny fidiram-bola.
Miezaha mba mamorona fidiram-bola iray na roa isan-taona. Tsy tsara ny mijanona amin'ny fidirambola iray na 2 fa mba 4 farany kely mba ahafahanao manana stabilité financière.
7. Ny farany dia tohizo foana ny fianarana na miala ny sekoly nianarana aza.
Mianara zavatra ilainao hampivoatra anao.
Mianara momban'ny fandraharahana
Mianara momban'ny fampiasana vola
ary indrindra indrindra mianara mivarotra satria ny harena miafina ao anaty varotra. Na zavatra tsisy dikany hampanankarena anao raha voafehinao io varotra io
Tadidio fa tsy ho mahantra foana ianao
Tsy hiaina anaty fijaliana foana ianao
Mila miaritra kely fotsiny manatanteraka ireo dia avotra ny fiainanao
Zarazarao mba hanavotra ny fiainan'ny hafa
Source:Réussir avec Martin