17/06/2026
⚠️Vao tsy ela akory izay, naheno vaovao mampalahelo isika : nisy olona namoy ny ainy noho ny hatsiaka…
Tsy tokony hisy olona ho faty noho ny hatsiaka.
Noho izany, KafeS’mof, TMA ary Prochem Agri dia miara-mientana hanangona fanomezana (akanjo mbola azo ampiasaina, vola, na fanampiana hafa) mba hividianana sy hizarana akanjo mafana ho an’ireo tena mila izany.
Raha misy olona, orinasa, fikambanana na vondrona hafa maniry ny handray anjara amin’ity hetsika ity, dia afaka manatona mivantana eny amin’ny KafeS’mof na mandefa hafatra miafina.
❤️ Ny fihetsika kely ataontsika dia mety hamonjy aina.
🙏 Misaotra manokana an’i Kent Photography noho ny fanohanany.
🔁 Zarao amin'ny namana.
📌 Araho ny pejy hahafantaranao ny tohin’ity hetsika ity sy ny fizarana ireo fanomezana.
Date hanan-tanterahina izany : 23 Juin 2026 a 20h30 depart eo amin’ny kafeS’mof.
⸻
🥶 Il y a peu, nous avons appris une triste nouvelle : une personne est décédée à cause du froid…
Personne ne devrait mourir à cause du froid.
C’est pourquoi KafeS’mof, TMA et Prochem Agri s’unissent pour collecter des dons (vêtements encore utilisables, argent ou toute autre aide) afin d’acheter et distribuer des vêtements chauds aux plus démunis.
Si d’autres personnes, entreprises, associations ou toute autre entité souhaitent se joindre à cette action, elles peuvent passer directement chez KafeS’mof.
❤️ Un petit geste peut sauver une vie.
🙏 Un grand merci à Kent Photographe pour sa contribution.
🔁 Partagez au maximum.
📌 Suivez la page pour découvrir la suite de cette action et la distribution des dons.