Team'i Kaly

Team'i Kaly Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Team'i Kaly, Fast food restaurant, Anjanahary II O, Antananarivo.

Iza daholo ilay tia frite ato o?Poulet pomme frite sy Steak pomme frite izao no sary entinay aminareo androany 😋 Vidiny ...
17/02/2024

Iza daholo ilay tia frite ato o?
Poulet pomme frite sy Steak pomme frite izao no sary entinay aminareo androany 😋
Vidiny 5000ar monja
Anjanahary Gerchard II O

Ny herin'ny siraAfaka atao fanafody ihany koa kay ny sira ho antsika mbola tsy mahafantatra.- Miady amin'ny fofona ratsy...
29/07/2023

Ny herin'ny sira

Afaka atao fanafody ihany koa kay ny sira ho antsika mbola tsy mahafantatra.

- Miady amin'ny fofona ratsy amin'ny aty vava izy
- Manampy amin'ny famongorana ny aretin-tenda sy ny fery anaty vava amin'ny fanaovana gararaka ranon-tsira ihany koa
- Manamaivana ny fananintainana amin'ny vatana. Afangaro amin'ny rano mafana dia alaina amin'ny lamba ary apetaka amin'ny faritra manaintaina. Manena ny fanaintainan'ny lamosina, ny ratra.
- Anti-stress ihany koa izy ity. Andramo ny mandro amin'ny ranon-tsira amin'ny rano matimaty fa fanafody mampitony tena tsara izany.

Efa fantatrao ve ny fisian'ireo?
Araho hatrany ary ny pejy e

Hisaorana ianareo rehetra izay efa nanjifa sy mbola hanjifa ato aminay. Vonona ny hanome fahafaham-po ho anareo hatrany ...
22/07/2023

Hisaorana ianareo rehetra izay efa nanjifa sy mbola hanjifa ato aminay.

Vonona ny hanome fahafaham-po ho anareo hatrany izahay. Na amin'ny sakafo na amin'ny toro-hevitra.

Inona ny antony mahafaty ny mayonnaise ataonao? Raha ny siansa no jerena dia rehefa be loatra ny menaka ao anaty fangaro...
14/07/2023

Inona ny antony mahafaty ny mayonnaise ataonao?

Raha ny siansa no jerena dia rehefa be loatra ny menaka ao anaty fangaro ka tsy voakapoka tsara dia tsy mahomby ny mayonaise satria be loatra ny molécules matavy ka tsy afaka mizara mitovy amin'ny molécules acqueuses (fifangaroana molécules maro).

Ny mari-pana amin'ny tamenak'atody ihany koa dia anisan'ny mikaonty be amin'ny fanaovana mayonnaise. Tsy tokony ampiasaina noho izany ny atody mivantana avy any amin'ny vata fampangatsiahana, fa aleo mampiasa tamenak'atody amin'ny mari-pana antonony.

Araho hatrany ny pejy Team'i Kaly

Ireto tanisainay manaraka ireto indray ary ny tombony amin'ny fihinanana ny zavokaAnjaranao kosa ny mandalina izany ra h...
03/07/2023

Ireto tanisainay manaraka ireto indray ary ny tombony amin'ny fihinanana ny zavoka
Anjaranao kosa ny mandalina izany ra hitanao fa mahasoa anao.

1- Sakafo fandevonan-kanina
2- Coupe faim
3- Mampihena ny kolesterola
4- Manatsara ny fiasan'ny fo
5- Manatsara maso tahaka ny karaoty
6- Feno otrik'aina C sy E
7- Misy vitamine K. Mety tsara ho an'ny olona diabetika
8- Anti-cancer. Miady amin'ny homamiadana
9- Be magnésium
10- Anti-inflamatoire naturel
Manena ny fanaintainana mandritra ny fotoanan'ny fadim-bolana ho an'ny vehivavy.

Andao hividy zavoka e!!!
Araho hatrany ny pejy Team'i Kaly
Mirary herinandro mahafinaritra ho anareo

Fety indray ny andro ary tia masikita daholo ny ankamaroantsika. 🍢Tsarovy ary ireto mahatsara azy ireto rehefa mihinana ...
24/06/2023

Fety indray ny andro ary tia masikita daholo ny ankamaroantsika. 🍢

Tsarovy ary ireto mahatsara azy ireto rehefa mihinana azy ianao e!

1- Tsy mampatavy ary source de protéines

Mety tsara ho an'ny olona manao régime na hanao perte du poids.

2- Tsara dia tsara ny tahan'ny sels mineraux ao anatiny.

Feno fer, zinc, sélénium, cuivre, potassium ao anatiny.

Samy manana ny asany ao amin'ny vatana izy ireo : fiasan'ny fo, fikojakojana ny volo na ny hoditra na koa ny mpandrindra ny fikorianan'ny ra.

Aza adino ary ny mihinana kely eto aminay rehefa ilay andeha hijery afomanga iny! Anjanahary II O. Ity ny rohy.
https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=117479921346969&id=100092548830575&mibextid=Nif5oz

Misokatra izahay ny 25 jona manomboka amin'ny 3 ora hariva.

Tsidiho hatrany ny pejy Team'i Kaly hakanao ireo torohevitra isan-karazany.

Afaka tehirizina ve ny atody rehefa avy andrahoina? Valiny : EnyAzo atao tokoa ny mitahiry ny atody mandritra ny andro m...
20/06/2023

Afaka tehirizina ve ny atody rehefa avy andrahoina?
Valiny : Eny

Azo atao tokoa ny mitahiry ny atody mandritra ny andro maromaro, fa kosa mila mampihatra fitsipika vitsivitsy ianao ary efa mila fantatrao mialoha hoe hotehirizinao ny atody andrahoinao.

- Rehefa masaka ilay atody avy nandrahoinao iny dia aza atsofoka anaty rano mangatsiaka fa mampalefaka ilay akorany iny.

- Avelao hangatsika tanteraka izay vao ampidirina anaty vata fampangatsiahana.

- Rehefa vita izay dingana izay dia afaka tehirizinao mandritra ny 7 andro iny atody iny.

Ny atody efa voavaofy kosa indray dia roa andro fara-fahatarany no afaka hitehirizana azy ary atao amin'ny toerana mangatsiatsiaka.

Araho hatrany ny pejy Team'i Kaly

D***o ve ny antsy ampiasainao anefa tsy manana fitaovana fandrangitana ianao?Ireto ary misy torohevitra mety hanampy ana...
16/06/2023

D***o ve ny antsy ampiasainao anefa tsy manana fitaovana fandrangitana ianao?

Ireto ary misy torohevitra mety hanampy anao amin'izany

1- Rangito amin'ny antsy samy antsy ihany

Ataovy ohatr'ireny any amin'ny mpivaro-kena ireny. Tsy mandany fotoana firy fa afaka segondra vitsy dia haranitra ny antsy.

2- Rangito amin'ny kaopy

Atsongoloy ny kaopy dia amin'iny vodiny iny no handrangitanao azy. Atongilana kely ary atao avy any amin'ny fotony makany aloha. Tandremo sao tratra ny tànana.

Andramo dia ho hitanao fa na taratasy aza ho voatapany avy eo.

Izay indray ny androany fa araho hatrany ny pejy Team'i Kaly e

Ireo tombony amin'ny fihinanana fromage indray no atolotray anareo androanyTsy hoe tsara eo am-pihinanana fotsiny akory ...
15/06/2023

Ireo tombony amin'ny fihinanana fromage indray no atolotray anareo androany

Tsy hoe tsara eo am-pihinanana fotsiny akory ny fromage fa tena mitondra hery sy mampatanjaka tokoa.

1- Ambony ny tahan'ny calcium ao aminy
Mampitombo ny zaza ary miaro ny fahasalaman'ny nify.

2- Ambony ihany koa ny tahan'ny protéines ao anatiny
Mitana anjara toerana lehibe amin’ny famoronana sy famelomana ny sela (cellules).

3- Source de phosphore
Mandray anjara amin'ny famokarana sy fitehirizana ny angovo ilain'ny vatana.

4- Be vitamine sy minéraux
Vitamin B2 izay manova ny sakafo ho angovo na vitamin B12 izay manohitra ny adin-tsaina sy ny havizanana.

5- Tsy be calories
Ny fromazy dia misy menaka voajanahary avo lenta.

6- Tsara ho an'ny taolana sy ny hozatra
Mety amin'ny sokajin-taona rehetra. Ny fihinanana fromazy dia zava-dehibe mandritra ny fitomboana fa koa ho an'ny atleta sy ny zokiolona.

7- Matsiro ary mitondra soa
Afaka atao sakafo maraina, atao amin'ny m**o, amin'ny sakafo mafana ... Tsy misy fetra ny fomba fihinanana azy.

Aza adino ary ny mihinana fromage fa mahasalama be an

Araho hatrany ny pejy.

Ahoana ny atao rehefa hanafana ny pâtes anaty micro-ondes ? 🍝🍝Matetika rehefa manafana ny pâte anaty micro-ondes isika d...
07/06/2023

Ahoana ny atao rehefa hanafana ny pâtes anaty micro-ondes ? 🍝🍝

Matetika rehefa manafana ny pâte anaty micro-ondes isika dia mandoro ny ety ivelany kanefa mbola mangatsiaka ny ao anatiny. Ny tokony hataonao dia asio banga kely eo afovoany. Ho hitanao fa hitovy tsara ny hafanany rehefa vitanao izany.

Araho hatrany ny pejy Team'i Kaly anarahanao ireo torohevitra isan-karazany.

Leo mamoafy ovy ve ianao? 🥔🥔Ity ny vaha olana atolotray Arotsay ao anaty rano mangotraka aloha ny ovy miaraka amin'ny ho...
01/06/2023

Leo mamoafy ovy ve ianao? 🥔🥔

Ity ny vaha olana atolotray

Arotsay ao anaty rano mangotraka aloha ny ovy miaraka amin'ny hodiny ary aza avela ho masaka.

Rehefa vita izay dia atsofoy anaty ranomandry (eau glacée) ny ovy avy nampangotrahina ao anaty fotoana vitsy.

Ny asa ataonao sisa dia manodina ny ovy eo amin'ny tananao mba hialan'ny hodiny hoazy.

Araho hatrany ny pejy Team'i Kaly hahazoanao ireo toro-hevitra isan-karazany eee!

Address

Anjanahary II O
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:30 - 20:00
Tuesday 08:30 - 20:00
Wednesday 08:30 - 20:00
Thursday 08:30 - 20:00
Friday 08:30 - 20:00
Saturday 08:30 - 20:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Team'i Kaly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share