Rianala

Rianala 💛🌼💖Feno ny fahasoavany💛💐❤

bonne semaine jiaby🥰😂
11/11/2025

bonne semaine jiaby🥰😂

mandrosoa oo🥂🥰
04/11/2025

mandrosoa oo🥂🥰

sprinkles cake🥰🥰
03/11/2025

sprinkles cake🥰🥰

💞
31/10/2025

💞

💘❤️‍🔥🧡 DIARY 🧡❤️‍🔥💘

" Nofy mamy, mampanotany
Hoe vita lasitra ato an-tsaiko
Tsy hay vonoina, ho hadinoina
Manembona foana anao ry aiko"

Hasambarana… hafaliana tsy hay lazaina no nameno ahy. Toy ny tsy nisy intsony ny fotoana, fa izy sy izaho sisa.
Tsy navelako hiala ny tanany ny tanako, toy ny tahotra sao ho levona ny fiadanana. Ny masony, nanjelatra toa volana mitsilo ny alina.
Tovolahy tsotra izy, fa nisy mistery lalina tao aminy. Tsy lava loatra, tsy manambatana be ihany koa, fa arak’izay fahatsorany izay, toa zaza saingy rehefa eo akaikiny aho dia toy ny very any amin’ny habakabaka tsy misy fetra. Ny volony somary olioly, ny fiakanjony tsy manintona, fa ny tsikiny… Tsiky iray monja dia toy ny masoandro mandrava ny haizina tsy nisy fiafarany hatrizay.

— “Ilo, variana be indry ! Fa misy inona?”
— “Variana mandinika an’ialahy aho koa,” hoy aho, nitsiky malefaka
— “Ansoo, mamy kely anie indry ity e, avy calin haingana !”
Hafanana tsy haiko faritana ny eto an-tsandriny.
— “Fa iza marina hoy aho ialahy e?” hoy aho sady tsy nahafehy hehy no menamenatra.
Tsy namaly izy fa nitsiky fotsiny, dia noraisiny moramora ny tanako.
— “Aza manahy an! Fa tiako indry,” hoy izy tamim-pitiavana sy tsy am-pihambahambana.
Nijery ahy izy, nifampiditra ny masonay, nanantona tsikelikely, nibanjina ny molotro. Nakipiko ny masoko…

Dia ilay famoha mandriko nikarantsana no nanolo ny horoka nantenaiko.

Hay nofy! Hay nofy fotsiny izany rehetra izany…

coucou daholo🥰misy adalana chocolat toa ahy ve nareoIlay somary mangidy iny mihitsy no tena azahoana fy any. Dia rehefa ...
13/09/2025

coucou daholo🥰

misy adalana chocolat toa ahy ve nareo
Ilay somary mangidy iny mihitsy no tena azahoana fy any.

Dia rehefa manao gâteau na glace ho anay dia exagéré be foana ny chocolat ao anaty. 🥰🥰

♥️aza adino ny misotro rano bé rehefa avy mihinana sucre toa izao an! 💖

Bonne journée 🥰

🥰🥰 Ne gaspille pas ton énergie avec les personnes qui n'en valent pas la peine😘😘
08/09/2025

🥰🥰 Ne gaspille pas ton énergie avec les personnes qui n'en valent pas la peine😘😘

coucou🥰🥰fanotaniana mipetraka amiko matetika'' ndry ve mbola tia glace ?''bien sûr ary rehefa mihinana aho dia ilay 1l v...
06/09/2025

coucou🥰🥰

fanotaniana mipetraka amiko matetika
'' ndry ve mbola tia glace ?''

bien sûr ary rehefa mihinana aho dia ilay 1l vao ampy ahy irery🤣
fa bon tsy isanan'andro ka hihihi

misy hatrany ny glace dispo an!
parfum classique ihany aloha hatreto🥰😘
mazotoa daholo😘😘😘

dispo😉
05/09/2025

dispo😉

🥰🥰tsy atakaloko ny an'ny hafa🥰🥰félicitations à notre équipe  ♥️♥️♥️
30/08/2025

🥰🥰tsy atakaloko ny an'ny hafa🥰🥰
félicitations à notre équipe ♥️♥️♥️

♥️💛🧡💖coucou daholo, misy glace vitsivitsy dispo amin'izay aza androany e! 🍦🍨🍧 🍨 barquette de 1l 🍦petit pot🥧mety hisy que...
30/08/2025

♥️💛🧡💖
coucou daholo, misy glace vitsivitsy dispo amin'izay aza androany e! 🍦🍨🍧
🍨 barquette de 1l
🍦petit pot
🥧mety hisy quelques portions de gâteau vitsivitsy ihany koa avy eo

Mp ou 038 10 096 24

NB: mbola tsy manao livraison lavitra aloha izahay hoan'ny androany fa hialana tsiny sahady an! 😉

Merci 🥰😘😘

🥰🥰🥰🥰loading.........96%😉😉😉
29/08/2025

🥰🥰🥰🥰loading.........96%😉😉😉

coucou daholo🥰🥰Secret kely fanaovana yaourt à maison.matetika isika rehefa manao yaourt à maison dia mitsoranoka foana, ...
21/08/2025

coucou daholo🥰🥰

Secret kely fanaovana yaourt à maison.

matetika isika rehefa manao yaourt à maison dia mitsoranoka foana, satria dia efa vitsy ny ronono azo antoka eny an-tsena fa Dia mitapoka daholo.
ka ity ary ny fanaovako ny ahy, réussi foana aloha hatreto, ireo amin'ny sary ireo.

recette:
- ronono 1l ( lait de vache) / poudre de lait 125g + 1l d'eau froid
-siramamy 125ml
-yaourt ferme 75ml
- maïzena iray sotro lehibe

1-alefa anaty ronono ny sucre sy ny maïzena ( afangaro tsara mba tsy hisy hitambaingana)

2-hataingina ambony afo ho masaka, avela hangotraka kely 5mn mba ho masaka tsara. ( raha ilay lait en poudre dia harona mandra-pangotraka azy fa lasa may ny ao ambany)

3- avela ho matimaty, izany hoe tsapaina amin'nu akikely ka rehefa zakan'ny akikely 5s dia arotsaka ilay yaourt ferme ( fermant)
tandremana tsara eto an! raha vao mamay loatra dia maty ny ferment, raha lasa matimaty loatra indray Dia tsy ferme ny yaourt. Dia atao haingana izany ity étape iray ity.

4- zaraina amin'ny pot maromaro dia saromana taratasy izay vao saromana bodofotsy( misintona ilay vapeur mba tsy hilatsaka anaty yaourt indray no asan'ilay taratasy)

5- avela 4h dia sokafana amin'izay, alefa anaty frigo 4h mba ho ferme tsara. izay vao haroso miaraka amin'ny cake na gâteau izay tinao🥰

NB: asiana beurre kely eraky ny sotro lehibe ilay ronono vao masaka raha Tina ho double crème ny yaourt😉

mazoto daholo indray ary e🥰🥰

Address

Iavoloha
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00
Sunday 09:00 - 17:00

Telephone

+261334060697

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rianala posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Restaurant

Send a message to Rianala:

Share