21/05/2025
✨ "Ny antana-tohatry ny fiainana" ✨
Tsy amin'ny indray mipi-maso no tonga any an-tampony. Isaky ny dingana, isaky ny ezaka, dia manakaiky ny nofy. Ny ezaka ataonao, na dia kely aza, dia mitondra fiovana lehibe foana.
👉 Aza kivy amin’ny dingana voalohany. Ny fandrosoana dia mitaky faharetana sy finoana.
Aiza ny taonanao, ary aiza ny dingana amin’ny fiainanao?
🔹 15 hatramin’ny 25 taona
Tsy maninona raha mbola tsy manana asa raikitra ianao amin’ity fotoana ity. Tsy manome tsiny anao aho raha mbola sahirana ara-bola, satria mbola fotoana fianarana io: mianatra any an-tsekoly, eny amin’ny oniversite, manao stage, mitady lalana. Io no vanim-potoana hametrahana fototra.
🔹 25 hatramin’ny 35 taona
Io no taonan’ny fananganana. Tsy mipetra-potsiny intsony ianao. Mila miasa, mila manangana fianakaviana, mila mianatra mitantana vola. Io no fotoana hanombohana hananganana ho avy, tsy hoe ho anao irery fa ho an’ireo manaraka anao.
🔹 35 hatramin’ny 45 taona
Taonan’ny famoriana harena. Efa tokony tsy hiasa ho an’ny karama intsony ianao, fa ho an’ny tanjona. Tsy hoe miasa fotsiny dia mihinana, fa miasa mba hanorina rafitra, hahazoana vola na dia tsy miasa mafy intsony aza. Mbola manana hery ianao, ka ampiasao hametrahana fiainana maharitra.
🔹 45 taona no ho miakatra
Efa manomboka hihena ny herinao ara-batana. Raha nanao ezaka ianao teo aloha, dia io no fotoana tokony hahitanao vokatra. Tokony efa hanana rafitra mampidi-bola ho anao ianao, na tsy miasa mafy intsony aza. Raha mbola mandeha mitady vola amin’izay fotoana izay ianao, dia mila mametraka fanontaniana hoe: inona no tsy nety teo aloha mba misy hanatsarana.
⸻
💬 Tsy midika akory izany fa very ianao raha tsy mitovy amin’ireo. Tsy ny taona no mametraka anao, fa ny fandraisanao fanapahan-kevitra.
👉 Tsy ny hoe efa 30, 40, na 50 taona no zava-dehibe… raha mbola vonona hifindra amin’ny dingana manaraka.
Ny tena zava-dehibe dia hoe: ‘Ampy izay. Tapa-kevitra aho hanova ny fiainako.’ Dia hanomboka, tsikelikely, mandra-pahatonga amin’ny tanjonao.
Ny fiainana tsy miandry, fa mandeha foana. Ary izay tonga saina haingana, no tonga lavitra.
Réussir avec Martin